Fahombiazana tanteraka ny taom-pianarana 2016 ho an’ny Ecole de Coupe et Couture Volana ( ECCOVA). Nihoatra ny 900 ireo mpianatra navoaka manerana ireo ivon-toerana 22 misy azy manerana ny Nosy, raha mihoatra ny 20.000 alina izany tao anatin’ny 22 taona nijoroany.
Tsy hijanona hatreo ny ezaka raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana, filoha mpanorina azy. Hiroso amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana mantsy izy ireo ankoatra ny fanatsarana ny fitaovana hampiasaina sy ny fanomezana tombony ireo any amin’ny faritra tsy mbola misy azy.N ifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2017 ireo mpampianatra sy tompon’andraikitra rehetra eto Antananarivo ny Sabotsy teo. Nohararaotin’izy ireo tamin’ izany ny nanazavana ny fandaharam-potoana rehetra tamin’ny mpianatra mba tsy ho tompon-trano mihono izy ireo. Raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana, filoha mpanorina ny ECCOVA mantsy dia hanatanteraka fanadinam-panjakana daholo indray ireo mpianany manerana ireo ivon-toerana 13 eto an-drenivohitra ny 17 sy ny 18 mey ho avy izao. Mba tsy hisian’ny fitondrana mitanila anefa hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia tsy maintsy hampitoviana ny zavatra rehetra hatao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.