Misedra olana ny asa tanana Malagasy, indrindra fa ny fanamboarana fitafiana noho ny fitobaky ny fripy.
Vonona ny hiady amin’izany ny Ecole de Coupe et Coutire Volana izay vao avy namoaka mpianatra 200 mianadahy omaly, mpianatra eto Antananarivo. Nampiavaka ity andiany ity raha ny fanazavan-dRazamanalina Volana, filoha mpanorina ny ECCOVA ny fahaizan’ireo mpianatra. Ankoatra ny lamba mantsy dia voafolak’izy ireo tsara ny fampiasana ireo akora hafa. Betsaka amin’izy ireo no efa nahazo kaomindy zaitra hiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao. Afa-po tamin’ireto mpianatra navoakany ireto ny ECCOVA ary hiezaka hatrany hanatsara ny fiofanana omena. Hankalaza ny faha-25 taona niorenany ny sekoly amin’io 2018 io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.