Actualités

DREN Amoron’i Mania sy Ihorombe Mpitarika Sempama voavidy vola


  • Talata 09 Oktobra 2012

Maro ireo tompon’andraikitra ara-pampianarana eny anivon’ny Faritra no nisolo. Anisan’ireny ny DREN Amoron’i Mania sy Ihorombe.

 Vao omaly rahateo no nametraka tamin’ny fomba ofisialy ilay DREN vaovao ao Amoron’i Mania ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis. “Olona voavidy vola sy mpamadika ireo”, hoy Raharovoatra Claude izay nilaza ihany koa fa mpitarika Sempama mafana fo taloha ireo ka izao namadika palitao izao. Momba ny DREN Amoron’i Mania dia izany “Rabôsisy” izany no anarana fiantso azy, hoy Raharovoatra Claude. Anisan’ny tapaka karama tamin’ireo mpitokona tao Fandriana ny tenany noho ny hafanam-po tamin’ny tolona kanefa izao lasa DREN izao raha ny fanazavana ihany. “Rabôsisy mihitsy no niantso ahy fa notambazana vola 70.000 Ariary sy nomena kiraro iray izy sy ny namany iray mialoha ny fanendrena azy”, hoy Raharovoatra Claude.

Anisan’ny mpitarika ny tolona nataon’ny Sempama tao Fianarantsoa koa ilay ramatoa lasa DREN ao Ihorombe amin’izao. Na eo aza anefa ny fisian’ireo namana nivadika rehefa voavidy vola dia tsy hampitsahatra ny fitokonana izay natombony omaly ny mpampianatra mpikambana ao amin’ny Sempama. Ny fiverenan’ny karama tapaka sy ny fahazoana ny marikarama notakiana miampy ny fahitana ny mangarahara tanteraka momba ny fandraisana mpampianatra no fepetra hizingizinin’ny Sempama. Tafiditra tao anivon’ny tokotanin’ny Ministera moa izy ireo omaly ary afaka naneho hevitra malalaka.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT