Actualités

Dr Rakotoniasy Jean Raymond Tsy mivaky fa mitriatra ireo sendika samihafa ao amin’ny Jirama


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Raha mba nampiakatra ambonimbony kokoa ny lazan’ny sendika malagasy tao ho ao ny fahombiazana azon’ny sendika teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar

 

tamin’ny olana nisy tao aminy ary narahin’ny fitoniana teo anivon’ny sehatry ny fananan-tany ka nitsaharan’ny fitokonana nisy tao am-bolana ihany koa, dia somary nampanontanin-tena ny maro ihany ny zava-nisy teo anivon’ireo sendika misy eo anivon’ny orinasa Jirama izay toa nifanipan-kevitra be ihany noho ny resaka fanaovana na tsia fitokonanambe voalaza ho nanomboka tamin’ny andron’ny alatsinainy lasa teo. Toa nanamaloka indray ny sarim-pahombiazan’ny tolona sendikaly izany raha ny fijerin’ny ety ivelany azy. Raha ny fanamarihana nomen’ny Dr Rakotoniasy Jean Raymond izay Sekretera Jeneralin’ny sendika Afo Sendikaly  kosa dia  hafa noho izay fihevitra izay mihitsy satria nanambara ny tenany omaly fa na dia samy manana ny heviny aza ireo sendika eo anivon’ny Jirama dia hiray hina ihany ireo rehefa handeha ny fifampiresahana eo amin’ny izay voakasika rehetra. Raha ambara amin’ny fomba mahitsy dia azo ambara, hoy izy, fa  tahaka ny dian’omby ireto sendika namana ireto, tsy mivaky fa mitritra fotsiny. Marihana fa anio, ao anatin’ny filankevitry ny ministra no hiandrasan’ny rehetra ny fanapahan-kevitra amin’ny ho avin’ity Jirama ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT