Actualités

Dr Bary Rafatrolaza “Tsy maintsy araha-maso ny voly hazo natao”


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Rehefa vanim-potoana toy izao dia maro ireo sokajin`ny olona no manao ny hetsika fambolen-kazo. Madagasikara rahateo dia tsy afa-bela amin`ny fiovan`ny toetr’andro ka nametraka fanamby ny fanjakana fa handray anjara amin`ny hetsika ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana manerana ny nosy.

Fambolen-kazo mirefy 40 000 ha no tanjona apetraka amin`ity taona ity. Nosokafana ny zoma 26 janoary lasa teo teto amin'ny Faritra Analamanga izy io ka nanao ny adidiny amin`ny tanindrazana ny sekreteram-panjakana miadidy ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo anivon'ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ireo mpiara-miasa aminy ny zoma lasa teo. Velaran-tany 2 Ha no novolena zanakazo 2000 ary tao amin`ny Kaominina Ambatomirahavavy no nanatanterahana izany. Nanamafy ny Sekreteram-panjakana, Dr Rafatrolaza Bary fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana ireo mpamboly hazo ary tsy hatao ambanin-javatra ihany koa ny fikolokoloana ireny hazo novolena ireny ka hatao in-droa miantaona ny fanaraha-maso azy ireo ka ny volana jolay sy oktobra no hanatanterahana izany. Tonga nanotrona an`izany lanonana tsotra fa manan-danja izany ireo mpiara- miombon`antoka maro samihafa ka nahitana fikambanana tsy miankina sy ireo vondron`olona samihafa. Tsiahivina fa miseho amin`ny endrika maro ny fiovaovan`ny toetrandro ary miteraka voka-dratsy, indrindra eo amin`ny sehatra fambolena izay fotopiveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy satria dia tsy hisy intsony ny fiarovana ny sahan-driaka noho ny tsy ho fanampiany ny rano. Ny fambolen-kazo araka izany no anisan`ny lalana iray hisorohana amin`izany fiovaovan’ny toetr’andro izany.

 

Marigny

 


                                                                               

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT