Miparitaka amin’ny tambajotra ara-tsosialy (fb) nanomboka omaly alina ny resaka fahaverezan’ny dosie lehibe na “Grand dossier” mikasika an’i Marc Ravalomanana tao amin’ny tribonaly Anosy ny sabotsy 11 novambra.
Ny polisy misahana ny heloka bevava no nambara fa loharano nipoiran’io vaovao io, saingy tsy mbola misy ny vaovao ofisialy voaray. Tokony handeha anio alatsinainy 13 novambra ny raharaham-pitsarana mikasika io dosie io, raha ny fanazavana. Olona 2 no voalaza fa efa nosamborina omaly alahady, ka zanaka mpanao politika akaiky ny filoha teo aloha sy mpisolovava iray akaiky azy ihany koa ireo voasambotra ireo. Notazomina ao amin' ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy izy ireo, raha ny vaovao re omaly hariva. Tsy hay aloha na paikady vaovao natao hanenjehana an’i Marc Ravalomanana indray izy ity na ahoana ? I Marc Ravalomanana mivady izay tsy eto an-toerana fa any ivelany amin’izao fotoana. Mampametra-panontaniana hoe dosie tahaka ny ahoana ity nambara fa very ity ? Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha anio alatsinainy. Noezahana nantsoina ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana halina saingy tsy nahazoana fanampim-baovao. Na ahoana na ahoana ambara aloha, sarotra ny mino fa kisendrasendra izao tranga izao fa efa misy kajy hafa. Namerimberina ny filoha nasionalin’ny HVM tato ho ato fa tsy misy kandida atahoran’izy ireo amin’ny fifidianana ary afaka mifaninana daholo ny rehetra afa-tsy ny olona manana raharaham-pitsarana ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.