Actualités

Dosie very tao amin’ny fitsarana Tovolahy iray nidoboka eny Antanimora


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay zanaky ny mpiray tampo amin’i Ihanta Randriamandrato, izay notondroina ho tompon’antoka tamin’ny halatra dosie tao amin’ny fitsarana.

 

Afaka nody kosa i Ralitera vadiny fa tsy maintsy miverina eny amin’ny fitsarana amin’ny alatsinainy 20 novambra izao. Notondroina ho nanolotsaina an’ilay tovolahy sy nampanao ilay fangalarana dosie izy. Navela nody ihany koa ilay mpisolovava voarohirohy, ary ilay olona fahatelo voasaringotra. Tsy nohenoina kosa ilay mpiraki-draharaha (gréffier) vavolombelona (témoin à charge), nahazo ny sarin'ilay nilaza ho mpisolovava mpiana-draharaha nitondra ilay dosie nitsoaka, izay karohina amin'izao. Efa fantatra ary ananana ny sarin’io mpisolovava mpiana-draharaha io, saingy voalaza fa tsy nohenoin'ny mpitsara ilay mpiraki-draharaha, ka izay no tena antony nanadobohana vonjimaika any Antanimora ilay tovolahy manodidina ny 30 taona, izay vao tonga avy any andafy, ka hiala sasatra no anton-diany eto. Tantara mitohy ity resaka fahaverezana dosie ity, izay heverina fa resaka politika hatrany hatreto no ao ambadika, ary misy vondron’olona tiana hopotehina ao anatiny.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT