Actualités

Doro tanety Mampihemotra ny orana manasara-taona


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Hanomboka rahampitso talata voalohan’ny volana septambra ny lohataona. Mifarana miaraka amin’ny faran’ny volana aogositra anio kosa ny toetr’andro mangatsiaka.

 

Tranga iray manamarika ny fisarahan’ireo vanim-potoana roa ireo moa ny firotsahan’ny orana. Tsy voahaja anefa izany noho ny fihanaky ny doro tanety izay miteraka setroka matevina miaraka amin’ny fofona manerana ny habakabaka eto Madagasikara, araka ny fanamarihan’ny avy eny anivon’ny famantarana ny toetr’andro Ampandrianomby. Ahiana rahateo ny tsy maintsy hisian’ny kotro-baratra mahery vaika miaraka amin’io fihemoran’ny orana mampisara-taona io amin’ity volana septambra hitsidika ity. Nahatratra hatrany amin’ny 1 hetsy hektara ireo velaran-tany nahitana doro tanety tamin’iny taona 2014 iny manerana ny nosy. Fomba fisehony amin’ny ankapobeny ny fampiasana tavy, ny doro ahitra natao sakafom-biby na koa ny doro tanety fanahy iniana tsotra izao.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT