Vao mainka mampihenjana ny fifandraisana eo amin’ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Befelatanana HJRB sy ny ministeran’ny fahasalamana ny fandrahonana fanaovana «réquisition» na fanakatonana izay midika fanerena ny mpiasa hiverina hiasa izay nivoaka ny alakamisy 25 novambra lasa teo.
Nanatontosa fivoriana teo an-tokontanin’ny toeram-piasany ireo mpitsabo ao an-toerana omaly antoandro izay namoahany fanambarana mitsipaka sady manameloka ny fanapahan-kevitry ny ministera. Amin’izy ireo dia tsy misy mihitsy antony tokony hanaovana izany fandrahonana fisamborana izany. «Telo ihany ireo fepetra azo anaovana ny «réquisition» dia ny tany miady na anjakan’ny hotakotaka, ny fisian’ny valan’aretina mahafaty haingana ary ny fisian’ny voina ara-boajanahary”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ireo mpitsabo ireo anefa fa samy tsy misy avokoa ireo antony voalazan’ny lalàna ireo ka noho izany dia nolavin’izy ireo ny fanaovan-tsonia ilay taratasy mampafantatra io “réquisition” io . “Ny fanaovan-tsonia io taratasy io mantsy dia mampanankery avy hatrany ny volavolan-dalàna famaizana izay mampiato kosa ny ‘code de déontologie’ mifehy ny mpitsabo ka tsy ahafahany mitokona.
Ankoatra izay dia hita teny an-toerana ihany koa fa mandray marary ireo mpitsabo miasa ao amin’ny sampandraharahan’ny Vonjy Aina ao Befelatanana ary misy koa ny fitsaboana ireo any anaty efitrano. Nahita izany ihany koa ny tale teknika avy ao amin’ny ministera izay nanara-maso ny fizotry ny asa teny an-toerana omaly antoandro. Marihina moa fa naaton’ireo dokotera “ny andro tsy misy mpitsabo” fa nosoloina ny “faran’ny herinandro mitohy ny alatsinainy” ny fitokonany taorian’ny fifampidinihana tamin’ny ministera tamin’ny herinandro ambony ihany. Fa anisan’ny nomelohin’ireo mpitsabo tamin’ny fivoriany koa ny fanenjehana miaro fampihorohoroana maro isan-karazany atao azy ireo tamin’ny onjampeo mpanohana ny FAT omaly maraina. Eo anatrehan’izany ary nampitandrina izy ireo fa hanidy ny hopitaly manerana ny nosy amin’ny anaran’ny firaisankina raha sanatria misy mikitika na maninona maninona ny iray amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.