Nodimandry omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany i Solohajarison Raymond, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Dj Bryan. Tanora anisan'ny manana ny lazany tamin'ny fanafanana lanonana ao Antsirabe ny tenany.
Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany no niharam-boina teo akaikin’ny Lisea Andre Resampa izy. Voalaza fa nitondra moto scooter izy ary nanaraka Taksibe iray. Nijanona tampoka ilay fiara mpitatitra ary nifatratra tamin’izany ny tenany. Nipitika avy hatrany moa ny aroloha nanaovany ary nifatratra tao ambanin’ny fiara izy sy ilay olona niala ny fiara izay nifandona taminy ihany koa. Voa mafy ny faritry ny lohany ka novonjena notarafina tamin’ny « Scanneur » tao amin’ny hopitaly atsimo, izay hany toerana misy izany ao Antsirabe. Taorian’izay dia nentina tao amin’ny Hopitalin’Andranomadio ny tenany. Novonjena nodidiana ny tao amin’ny faritry ny lohany, izay voalaza fa tontosa soaman-tsara noho ny fifanomezan-tanan’ireo mpitsabo izay mahafantatra azy tsara. Taorian’izay dia napetraka tao amin’ny efitra fameloman’aina izy saingy tsy tana ny ainy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.