Nipao-tsatroka tamin’ny fahaizan’i Arch Junior mikosoka kapila avokoa izay nahita azy
, eny hatramin’ny mpitsara nandritra ny fifaninanana Talenta afrikanina tatsimo natao ny alahady 8 novambra 2015. Havanana, manoatra noho ny efa kalaza niangaly ny fikosehana kapila an-taonany i DJ Arch Junior satria dia sady mandihy izy no mikitikitika ireo bokotra sy manodina kapila. Nahazo vola 35.000 dolara izy ho fankasitrahana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.