Actualités

Disadisa MDAT – CUA Efa voasolo ny PDS raha tany an-toeran-kafa


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Vaky ambatolampy tsy hay nafenina intsony ny disadisa misy eo amin’i Hajo Andrianainarivelo, ministry ny fanapariaham-pahefana sy i Edgard Razafindravahy, filohan’ny delegasiona manokana (PDS) ny tanŕnan’Antananarivo.

Tsy vitan-dresaka anaty birao intsony fa dia hatreny amin’ny Bianco ny raharaha, ary mifanasa vangy eny ambony gazety ny mpiara-miasa akaiky amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny fanorenan-tranon’ny Sinoa, Baolai, no nampipoaka ny raharaha. Efa niotrika tao ela ihany anefa izy io, tao anatin’ny asa fanarenana io Lapan’ny tanàna eo amin’ny 13 mey io, izay tamin’ny ankapobeny dia rano nodikain’ny zinga ihany ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo satria betsaka tamin’ny asa tao no tsy fantatry ny mpitantana na ireo mpanolotsain’ny tanàna akory ny fiaviany sy ny loharanom-bolany. Nisy fotoana aza ny asa atao nefa tsy hita soritra akory tao amin’ny tetibolan’ny Kaominina izany. Izay eo ihany fa anisan’ny fototry ny disadisan’ny roa tonta, dia ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny amin’ilay tetikasa fanitarana lalana eny Ankorondrano izay mifanindran-dalana amina fanorenana trano hisy rihana telopolo mahery any. Araka ny fantatra dia tsy nandalo hakana fankatoavana teo anivon’ny Filankevitra monisipaly io tetikasa io. Misy fifanitsahana andraikitra ao anatiny.

Ny lalàna manondro mazava fa ny Ben’ny tanàna no manome fahazoan-dalana hanorina trano. Raha mihoatra ny rihana telo anefa izany dia maka fankatoavana amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Eo no mitohana ny raharaha, ary mampipoaka ny ady mangatsiaka. Raha tany Manakara, na Moramanga na koa Toamasina anefa no nisy ity toe-javatra mampifanolana ny ministera sy ny kaominina ity dia azo antoka fa tsy ela dia nosoloina ny mpitantana ny Kaominina. Lasibatra tamin’izany i Giscard Andriano (Manakara), Dr Rakotomanana Gervais (Toamasina I) sy Rasolofonjatovo Ezeckïel (Moramanga). Ny roa voalohany nosoloina PDS avy hatrany, ity farany kosa nampidirina am-ponja mihitsy saingy tafaverina amin’ny toerany ihany tapa-bolana teo izay. Resaka fanomezan-dalana fanorenan-trano no namandrihanaa azy avy eo nahiahiana ho nanao kolikoly. Ny an’iretsy roa hafa indray moa dia resaka politika tsotra izao, satria sady mahazaka olona, izy ireo rahateo voafidy ara-pomba demokratika, no olon’ny Tiako I Madagasikara, ka nailika sao manelingelina amin’ny fifidianana ho avy. Fa ity eto Antananarivo ity toa mifampitsapatsapa hery manao vazaha mody miady, sinema no betsaka ? Raharahan’ny samy Hetsika Avaradrano rahateo izy ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT