Actualités

Dinika nasionaly Nametraka fepetra ny Ankolafy Madagasikara


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Raha tena ilaina ny fandraisan’ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy 3 anjara amin’ny dinika nasionaly tadiavin’ny FAT hatao dia milaza fa vonona handray anjara amin’izany izy ireo raha toa ka feno ireo fepetra maromaro takiany.

Fepetra takian’ny ankolafy, araka ny fanazavan’ny solombavambahoakan’i Vohémar, Raharisaina Hery, ny fandraisan’anjaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, eo koa ny ahafahan’izy ireo maneho hevitra amin’ireo haino aman-jerim-panjakana dia ny TVM sy ny RNM izany, eo koa ny fanokafana tsy misy hatak’andro ny onjam-peo Fahazavana, ny famoahana ireo gadra politika. Ankoatra izay dia takiany koa ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana mandritra ny dinika fa tsy hevitra efa voaomana sy voatefy no haroso ka holanian’ireo izay handray anjara. Efa naroson’ny ankolafy Madagasikara tamin’ireo delegasion’ny parlemantera ACP (Afrika Karaiba Pasifika) sy Eoropeanina izay nandalo teto amintsika ireo fepetra takiana handraisany anjara amin’ny dinika nasionaly, hoy ihany i Hery Raharisaina. Nampafantarin’ny ankolafy Madagasikara tamin’ireo parlemantera vahiny ihany koa ny tsy fanajana ny zon’olombelona misy eto Madagasikara sy ny fampihorohoroana mahazo ny vahoaka raha te haneho hevitra ny tsy mitovy amin’ny an’ireo mpitondra.

Raha nandray fitenenana kosa ny pastera Edouard tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana, ny sabotsy teo ihany, dia nanisy resaka ny momba ny fanafihana ny haino aman-jerim-panjakana. Herinandro no omenay, hoy izy, hamantarana izay nanao izany fanafihana izany satria fananam-bahoaka io, ary sao koa lazaina fa ny ankolafy telo no nanafika ny TVM sy RNM. Nambarany ihany koa fa ny fitontogan’ny vola malagasy no nampidangana ny vidin-tsolika ka tsy ho vahaolana izay fanerena hataon’ny mpitondra FAT amin’ireo mpaninjara. Ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka ihany no hany lalana, hoy ihany izy. Na inona na inona kosa hataon’i Pety Rakotoniaina, dia tsy maintsy tonga any Fiaranarantsoa ny ankolafy Madagasikara, hoy ihany ny pastera Edouard. “Aza be resaka sy be vava amin’ny gazety, fa tongava any Fianarantsoa dia any isika no hifandinika”, hoy ihany izy. Nohamafisin’ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity moa ny tenin’ny profesora nilaza fa tsy an’i Pety Rakotoniaina i Fianarantsoa ka izy no handidy ny olona ho any na tsy ho any. Mitohy hatrany moa ny fihaonana eo amin’ny ankolafy Madagasikara sy ireo mpanara-dia azy etsy amin’ny Magro Behoririka, toerana hifampizaran’izy ireo vaovao sy hifanentanan’izy ireo ny amin’izay dingana misy sy harahina.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT