Actualités

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.

 Nanamafy tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary omaly ilay voalohany sy ny mpanara-dia azy fa tsy maintsy hitory ireo nanenjika ny olona tohanany satria tsy ara-dalàna ireo sady vitsy an’isa. Nanamafy kosa ilay faharoa fa tsy misy mpikambana ara-dalàna mampiantso mpanao gazety ivelan’ny biraon’izy ireo etsy Ankadivato izany. Tsy maintsy mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana koa izahay, hoy izy ireo, ary marihina fa efa nanao fanavaozana ny karatra maha mpikambana ny 27 novambra 2017 teo ary efa nivoaka ny 4 janoary 2018 ny fanomezan-dalana (attestation) manambara fa ny anay no tena izy. Ny 26 janoary izao moa no andrasana ny didy hivoaka mikasika ity raharaha ity, raha ny voalaza omaly. 

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT