Actualités

Didy – Ambatondrazaka Mbola mitohy ny fitrandrahana safira ?


  • Talata 04 Septambra 2012

Natao nahoraka dia nahoraka ny hetsika fandroahana ireo mpitrandraka safira sy volamena tsy ara-dalŕna tany Ambohibe, Kaominin'i Didy, Distrikan’Ambatondrazaka.

 Efa ho telon-jato ny zandary sy miaramila nalefa tany ary nivoaka ny fampitam-baovao ofisialy avy eo fa hoe voafehy tanteraka ny toe-draharaha ary niala tao amin'ilay ala avokoa ny mpitrandraka rehetra. Araka ny tsiliantsofina re anefa dia mbola misy ihany ireo olona tonga any an-toerana fa hoe : "hamaky carrière", izany hoe vao hanomboka handavaka mihitsy fa hitrandraka safira. Araka ny fampitam-baovao avy any amin'iny faritra iny ihany koa dia vao tamin'ny herinandro lasa iny no nisy mpitrandraka lasa mpanankarena tampoka satria nisy nividy hatrany amin'ny 500 tapitrisa Ariary ny vato safira iray.

Ankoatra io volabe io dia mbola nahazo kadoa fiara 4X4 iray sy moto iray ihany koa ilay olona nahita ilay safira. Nambaran'ireo mponina any amin'iny faritra manodidina an'i Didy sy ireo izay mbola mivezivezy any an-toerana ihany koa fa misy mihitsy ny helikoptera maka vato any. Midika izany fa mpanam-bola sy olona tena matanjaka no manangona vato any. Raha ny filazan'ireo mpitrandraka efa tany an-toerana dia midadasika be ilay ala ahitana vato sarobidy ao Didy io, ka sarotra ho an'ny mpitandro ny filaminana no manara-maso azy tanteraka, ka izay no mbola hahafahan'ireo mpitrandraka sasany manohy ny asany ihany, hatramin'izao. Araka ny fantatra ihany koa dia ireo tompon-tany no tena mahita ireo vato tsara ka mahazo ny vola be, raha toa ka manodidina ny 20 tapitrisa Ariary eo no azon'ireo mpanao afera avy eto Antananarivo na avy any amin'ny faritra hafa, izay mpanera sy mpanelanelana ny ankamaroany.

Hatreto izany aloha dia mitovitovy amin'ny boaderozy ihany ity fitrandrahana safiry any Didy - Ambatondrazaka ity, ny fanambarana ofisialy no atao mipoapoaka fa hoe efa tsy misy intsony ny fitrandrahana, kanefa toa mbola misy ihany ilay izy, ary vola amina miliara isan-kerinandro no mihodina any. Amin'ny maha tsy ara-dalàna sy tsy manara-penitra ny fitrandrahana moa dia tsy misy na ariary aza ny vola miditra amin'ny fanjakana, amin'ity tranga any Didy ity, raha toa ka misy ny vondron'olom-bitsy tena mahazo tombontsoa mihoapampana aminy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT