Actualités

Didim-pitsarana Tsy maintsy tanterahana, hoy ny lehiben’ny zandary


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Manoloana ny vaovao niely izay nanambara fa manomboko mihoa-pefy ka tsy manaraka ny voalazan’ny didim-pitsarana intsony ny tomponandraikitra sasantsasany eo anivon’ny zandarimaria dia nanambara izy ireo omaly,

tetsy amin’ny toby Ratsimandrava etsy Andrefan’Ambohijanahary fa mandiso izany filazana izany. Misy lalàna, hoy ny jeneraly Jean Christophe Andrianalimanana, lefitra voalohan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny fanatanterahana ireny baikom-pitsarana ireny ary manamafy aho fa tsy maintsy tanterahana an-tsakany sy an-davany izany. Ny fehezan-dalàna paikady heloka Malagasy (andalana faha 132 sy 133) hoy ny jeneraly Mosesy Andrianarimanana, talen’ny polisim-pitsarana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia milaza fa manatanteraka ny asany eo ambany fiahian’ny prokeroran’ny repoblika sy ny prokerora jeneralin’ny repoblika ny zandarimaria. Manome toromarika izahay, noho izany, hoy izy ireo, mba hanatanterahan’ny rehetra ny lalàna satria sady ao anaty fianianana izany.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT