Nanatotosa didifoitra maimaimpoana ny fikambanana TGV Antsirabe I ny sabotsy 09 Oktobra 2010 teo. Tao amin’ny foiben-toerany ao Vatofotsy, aty am-pidirana avaratra an’Antsirabe, no nanaovana izany. Tontosa soa aman-tssara ny hetsika fa saingy ankizy niisa 20 eo ho eo no netin’ireo ray aman-dreny nanoina ny antso na dia efa nisy fanasana lavareny aza natao tamin’ny alalan’ny radio. Anisan’ny tsikaritra ihany koa ny tsy fahitana ny mpitarika tao an-toerana, araka ny filazan’ny nanatrika, raha tsy tamin’ny 9 ora nefa dia tamin’ny 6 ora maraina ny fotoana nifanomezana. Tsy fantatra moa na noho ny andro efa mafana no tsy nahatongavan’ny olona na dia maimaimpoana aza ny hetsika na dia porofo iray indray fa marefo tanteraka mihitsy ny TGV ao Vakinankaratra. Efa nisy hetsika fiaraha-misakafo maimaimpoana koa mantsy natao niantsoana vahoaka tao amin’ny tokotanin’ny Hotely lehibe iray ao Antsirabe fa tsy nisy nanoina ny antso. Mampanontany tena ihany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.