Actualités

Diaspora Kristianina Malagasy Mitaky ny hitsinjarana ara-drariny ny harena


  • Zoma 30 Martsa 2018

Efa mampiteny ny moana ny fitotongan’ny harinkaren’i Madagasikara arahin’ny fihazakazaky ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, nefa dia mampiaiky an’izao tontolo izao ny harena tsy hita pesimpesenina misy eto ary mahay sy nianatra ary kinga saina ny Malagasy.

 

 Ny antontan-kevitra izao dia mampiseho fa niakatra avo telo heny ny harinkaren’i Rwanda sy Botswana tao anatin’ny 50 taona raha samy tany aorian’i Madagasikara izy ireo ny tamin’ny taona 1960. “Tsy azon’ny saina ekena izany sady tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra”, hoy ny Dr Ravanona Raliteration, Filohan’ny Eglise Protestante Évangélique Internationale France-Toulouse/Madagascar sady filohan’ny DKM (Diaspora Kristianina Malagasy) ary mpanorina ny fiangonana CMTN (Christ pour les Malgaches pour Toutes les Nations) izay manana ny foibe ao Itasy. Antom-pijoroan’ny DKM, hoy ity Ambasadaoron’ny fandriampahalemana any Jerosalema ity ny mivavaka ho an’ny Malagasy rehetra na aiza na aiza misy azy manerantany, ho an’ny firaisan’ny eglizy kristianina Malagasy sy ny kristianina rehetra tsy anavahana, hanohitra ny kolikoly ka hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Manohitra ny endri-pahantran’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny DKM satria i Madagasikara dia manana harena ankibon’ny tany sy zavaboary tsy hita pesimpesenina, hoy hatrany pastera Raliteration; ity farany izay nandalina fintantana sy toekarena ihany koa, dia manainga ny kristianina rehetra hijoro hitaky ny fitsinjarana ara-drariny ny harena izay anisan’ny antom-pijoroan’ny DKM raha ny nambarany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT