Actualités

Diabetika herintaona izao Mitsindrona in’efatra isan’andro i Koloina


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Zazavavy kely iray anisan’ireo diabetika tazana tetsy amin’ny Lapan’ny tanŕna ny sabotsy teo, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta, i Koloina, vao 11 taona monja.

 

 Raha araka ny fitantarany dia herintaona izao no nahafantarana fa voan’ny diabeta izy. Noho ny fiovan’ny toe-pahasalamany izay nangetaheta lava, nipipy lava, narary kibo ary nihanahia no nanosika ireo ray aman-dreniny nitondra azy natao fitiliana. Nanomboka teo dia nitsindrona in’efatra is’andro i Koloina kely. Tsy nahazo nihinana ireo sakafo fihinany toy ny teo aloha intsony ihany koa toy ny mangahazo izay fantatra fa tena tiany. Niezaka hatrany anefa izy sy ireo ray aman-dreniny nitsabo azy ary efa hita ho tsara ny fahasalamany ankehitriny, hoy ny reniny. Mampiavaka azy moa ny famelan-dreniny azy handehandeha hanatanja-tena, izay tena ilain’ny vatana ankoatra ny fampihantana azy kely amin’ny fihinanana ody vavony in-droa isan’andro ho fitsinjovana ny fahasalamany. Tonga niala voly tamin’ny fanaovana lokorano tetsy Analakely i Koloina ny sabotsy teo, hetsika tafiditra ao anatin’ny fitsaboana ireo ankizy voan’ny diabeta mpikambana ao amin’ny AMADIA. Nisy kosa ny fitiliana faobe maimaimpoana ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika izay nihoatra ny 1.000 isa mandrapaharivan’ny andro.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT