Actualités

Depiote Ravoninjatovo Sahoby Handrotsahy orana artifisialy any Marovoay


  • Alarobia 01 Febroary 2017

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa miainga any amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny minisi-panjakana misahana ny fiompiana sy fambolena ary ny minisitry ny mponina, ny mponina any amin’ny distrikan’i Marovoay izay mpamboly avokoa ny 90%, ny tenako, depiote Ravonijatovo Sahoby, voafidy tany amin’ity distrika ity izay mitondra tenin’ny vahoaka nitaraina taty amiko, mba hijery manokana ity sompitra ara-bary faharoa eto Madagasikara ity ka handrotsaka orana artifisialy any an-toerana farafahatarany amin’io herinandro faharoan’ny volana febroary 2017 io fa tena maina sy vakivaky ny tanimbary ary  maina koa ny rara-bary  nafafy satria tena mila rotsak’orana ny voly vary asara vao novolena tamin’ity volana janoary ity raha volana desambra no tena fanetsana azy nefa tokony hiakatra amin’io volana martsa io. Mila ambezo na masomboly koa ny mponina any an-toerana fa maina ny nafafy ka diso ny kajikajy natao ary mila fijerena lafiny sosialy manokana koa ny rehetra. Jereo ny vahoakanao any Marovoay Atoa filoha, hoy ny depiote Sahoby, fa rehefa voakitikitika anie ity sompitr’i Madagasikara izay mamokatra vary 130.000 taonina na 3 tapitrisa gonim-bary 50 kg isan-taona dia hotandindomin-doza ny firenenena iray manontolo e ! Mbola ho avy ny fikarakarana ny voly vary atsiatra, ny voly vary jeby ary ny voly vary dimbialoka. Farany dia tokony hijery manokana ny distrikan’i Marovoay koa ny Bngrc fa tena tafiditra ao anatin’ny loza voajanahary izao mahazo azy izao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT