Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny Dépiote Rasoanoromalala Marie Horace sy ny solotenan'ny mpamboly vary ao Avaratr'Ambohimanarina
dia nivory nandinika ny vahaolana maharitra niaraka tamin’ireo Komity FMR sy ireo olona vonona hifanome tanana halavorary ny fambolena eny an-toerana ny Depiote Horace, isan'izany ny fangatahana sy fijerena manokana ilay « Canal » mitondra ny rano ao Anosivavaka manondraka tanimbary hanetsana izay notapenan'ireo sinoa izay nividy ny tany ka mety hiteraka fahavoazana lehibe hoan'ny mpamboly. Ny Depiiote Horace mihitsy no hitondra ny fitarainan'izy ireo miainga any amin’ ireo Antokon-draharaham-panjakana mahefa sy mpanatanteraka hiantefan'izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.