Actualités

Depiote Rabetafika Roberthine Nitantara ny nafenina


  • Zoma 30 Martsa 2018

Nanao fanambarana sy nitondra fanazavana momba ny raharaha fiparitahan’ny sary sy ny horonantsary mamoafady tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny antony nahatonga izany ny Depiote voafidy tany Isandra Rabetafika Roberthine.

 

 “Teo amin’ny iray volana lasa izay dia very ny findain’ny vadiko, Rapelanoro Rabenja José, mpanamory ao amin’ny Air Madagascar”, hoy izy. Io finday io tany Parisy Frantsa no nahavery azy, ka efa nisy ny filazana ny fahaverezany na ny “déclaration de perte” natao, kanefa hatreto dia tsy hita. Tao anatin’io finday io no nisy ireo sary sy horonantsary momba ny fiainam-pitiavanay mivady manokana”. Misy koa anefa ny horonantsary namboamboarina na “montage” hita mandeha amin’ny facebook sy ny karazany, raha ny fanazavany. Tao anatin’ny herinandro taorian’ny nandalovan’ny filoham-pirenena tany amin’ny distrikan’Isandra dia nisy laharana finday niantso an-dRtoa depiote milaza fa manana sary sy horonantsary momba azy manokana. Nitaky vola io olona io ary taorian’izay dia nandefa “sms”, tamin’ny laharana finday an’ny tambajotra Orange sy laharana avy any ivelany, raha ny fanazavan’ity depiote ity, ka nitaky vola amina Euros. Nametraka fitoriana fiandry teny amin’ny zandarimaria ao amin’ny Toby Ratsimandrava misahana ny “Cybercriminalité” izy ireo ny 13 martsa. Tonga ny alatsinainy 27 martsa tolakandro, ka nahenoana ny efa fipariahan’ny sary, dia nametraka ny fitoriana tena izy ireo ary miroso ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana          amin’izao. “Na iza na iza manaparitaka na mampiely vaovao tsy marina dia melohinay sy tsy hamelanay fa tsy maintsy tratra ny fototr’izao fanalam-baraka ny solombavambahoakan’i Madagasikara izao”, hoy Rabetafika Roberthine. Nolaviny ho tsy marina ihany koa ny resaka niely tamin’ny facebook fa any amin’i Mbola Rajaonah, ity farany izay mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, ny sary dia nambaran-dRtoa depiote fa resaka politika ihany no ifandraisany amin’io olona io. Ny nohamafisiny dia efa mipetraka ny fitoriana, ary efa misy ny olona hita nanaparitaka ny sariny, ary efa ao anatin’ny fanamborana azy ireny ankehitriny. Tantara mitohy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT