Nanambara tamin'ny fitafatafana fohy tamin'ny mpanao gazety, omaly teny Antaninarenina, ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka fa vaky ny ady eo aminy sy ny kaomandin'ny Zandaramariam-pirenena.
Tsy hoe manohitra azy be fahatany fotsiny tsotra izao anefa aho, hoy izy, fa misy ny antony mazava tena hanoherako ity olona ity. Anisan'izany ohatra ny fireherehany amin'ny hoe nandroaka vatan-jandary 200 isa noho ny resaka kolikoly ry zareo. Mamelona olona an'arivony anefa ireny zandary norohany ireny ary niteraka zaza maro ihany koa ka famonoana ireto farany ankitsirano amiko ny fihetsika tahaka izao. Marina fa heloko mampigadra ny fanaovana kolikoly, hoy ity depiote ity, nefa hampahafirin'ny fanaoavana kolikoly mitranga eto amin'ny firenena ny vitan'ireo vatan-jandary noroahina ireo ? Tsy hahafoana velively na hampihena ny asan-dahalo izany amin’ny ankapobeny, hoy izy. Faharoa dia tsy mahay ny asany koa ity kaomandan'ny zandarimaria am-perinasa ity satria nangatahana izy mba handray fepetra hanesotra ny "commandant de groupement" ny Faritra Anosy noho ny kolikoly be vitan'ity tompon'andraikitra ity any an-toerana raha tsy hiteny afa-tsy ny fandoharam-bolam-bahoaka amin'ny fanaovana fandaharana manokana amin'ny televiziona tsy miankina sy fampiasana haino aman-jery maro hiarovany ny tenany fotsiny isika izay tsy azo inoana fa avy amin'ny volan-karamany madiodio izao nefa dia tsy vitany ny nanao izany fanesorana izany. Fahatelo antony tena mahavaky ny adinay roa tonta ka hangatahiko ny hanesorana azy amin'ny toerany mihitsy dia noho izy namoaka vava tsotra izao teo anatrehan'ny ben'ny tanàna niisa 31 tany Betroka fa tsy afaka mandefa zandary eo ambany fiadidiana mihoatra ny kaominin'Andriry any Betroka izy nefa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany no antom-pisian'ny zandarimariam-pirenena amin'ny ankapobeny. Mbola nisy fanapahan-kevitra noraisiny koa nitondrany olona an'arivony hoe : handamin-dresaka ao an-tanànan'Andriry izay nolazaina fa tena maro olona mpangalatra ao amin'ity tanàna ity. Azo inoana fa hampifamono ny olona any an-toerana izany fihetsika izany nefa izahay efa nandamina ny fiainan'ny fiarahamonina any an-toerana. Ambarako etoana, hoy ny depiote Nicolas fa tsy hilamina mihitsy ny distrikan'i Betroka raha tsy miala amin'ny toerany ity kaomandin'ny zandarimariam-pirenena ity sy ny "commandant de groupement" ao amin'ny Faritra Anosy ary ny "commandant de compagnie" ao Betroka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.