Mivoaka indray ny resaka amin’izao fotoana fa miala any ny lisitra mainty ahitana anarana depiote, mpanao gazety ary olon-tsotra, ampangaina fa mpamatsy vola ny hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey,
ka antsoina atao famotorana avy hatrany eny amin’ny fampanoavana eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Voalaza fa fanohintohinana ny filaminana anatiny no vesatra hanenjehana azy ireo. Tsy fantatra aloha izay nanao ny fanadihadiana ka nampivoaka io lisitra io, fa ny fantatra fotsiny araka ny loharanom-baovao iray dia misy izy io. Izany ve no tena laharampahamehana ankehitriny amin’izao toe-draharaham-pirenena efa misavorovoro izao ? Etsy an-kilan’izay, efa misavovona ihany izay antontan-taratasy am-pelatanan’ny fitsarana mahakasika raharaha goavambe izay toy ny afera Claudine Razaimamonjy, Houcine Arfa, raharahana kolikoly avo lenta roa naha voatonontonona anarana mpitondra fanjakana ambony eto amin’ny firenena. Fa nankaiza ireo “dosie” ireo ? Nampirimina ve ? Nakatona ve sa sanatria efa nanjavona ? Mbola ampiasaina atao fitaovana politika ihany ve ny fitsarana mba hametrahan’ny fitondram-panjakana ny fahefany ? Moa tsy efa anisan’ny nahatonga ny fimenomenomana sy fahasosorana maro be teto ve izany koa nahoana no mbola atao ihany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.