Actualités

Depiote Michel Ambalavato Nizara vary tamina fokontany 6


  • Talata 28 Aprily 2015

Mitohy indray ny asa fanampiana ireo vahoaka tena sahirana eto Antsirabe ataon’ny Depiote Michel Ambalavato. Ny sabotsy 25 aprily 2015 lasa teo mantsy dia fianakaviana niisa 300 indray no nizarany fotsimbary tokony ho 5 kilao

 

isan’olona teo ho eo, ka anisan’ny nisitraka izany ny tao anatin’ireo fokontany niisa 5 teto Antsirabe dia ny teny Ambohimena atsimo sy avaratra, Mahazoarivo atsimo sy avaratra ihany koa ary ny fokontany Ambalavato. Ny alatsinainy 27 aprily kosa dia ny fokontany Tsivatrinikamo no nahazo ny anjarany. Nambaran’Atoa solombavambahoaka fa ho tohin’ny hetsika efa nataony ka nizarana vary ho an’olona niisa 600 tamina fokontany maromaro ny volana novambra lasa teo ity hetsika ity.  Nohamafisiny moa fa ho fanampiana ireo olona taorian’ny rivodoza sy ny ranobe teo iny no antony. Ireo komitim-pokontany, hoy izy no mifantina ireo olona tena hita fa mila fanohanana ka omena izao fanampiana izao. Mbola hisy ny hetsika eny anivon’ny fokontany hafa izay tsy mbola nahazo ny anjarany ka mbola hitohy izany izao hetsika izao. Etsy an-daniny moa dia mbola mitohy ihany koa ny fanamboarana ireny paompin-drano eny anivon’ny fokontany ireny sy ireo fanampiana ara-pitaovana ho an’ny mpianatra toy ny efa mahazatra azy hatramin’izay.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT