Actualités

Depiote Marokiky Ilaina ny famadihana ho lalŕna ireny sonia vita ireny


  • Zoma 04 Desambra 2015

Tokony handalo eny amin’ny Antenimieram-pirenena avokoa rehefa mety ho fifanaraham-panavan-tsonia na « ratification » iraisam-pirenena hataon’ny Malagasy

 

miaraka amin’ny firenen-kafa mba hahazoana mamadika azy ho lalàna velona entina  hampandrosoana ity firenena ity, hoy ny depiote Marokiky avy any Befotaka Atsimo izay mpampiaka-tenin’ny vaomieran’ny fiarovam-pirenena sy fandriampahalemana nitatitra ny asam-baomiera nandinihana ny volavolan-dalàna lah-007/15 tamin’ny 04 martsa 2015 hahazoan’i Madagasikara manao sonia ny « convention d’entraide juridique et d’extradition, contre le terrorisme des Pays francophones d’Afrique » tamin’ny 16 mey 2008 izay fanaovan-tsonia fahafahana manamora ny fifandraisana iraisam-pirenena amin’ny fisamborana ireny mpampihorohoro eran-tany ireny, hoy ny ministry ny fitsarana tonga nanotrona ny fivoriana azon’ny besimaro natrehana. Lanin’ireo solombavambahoaka 17  hany tonga nivory ao anatin’izao fivoriana ara-potoana tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tsy nisy nitsipaka moa ity volavolan-dalàna ity omaly .

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT