Actualités

Demokrasia sy fifidianana Vitsy mpahalala ny tena dikany


  • Alarobia 12 Mey 2010

Nanatanteraka fanadihadiana niarahany nanatanteraka tamin’ny orinasa Focus momba ny fandraisan’ny olona ny demokrasia sy ny fifidianana tamina kaominina folo ny Kmf/Cnoe. Toerana iasan’ity fikambanana ity avokoa izy ireo dia Ihosy, Soavinandriana, Ifanadiana, Farafangana, Toamasina II, Ambato Boeny, Mandritsara, Ambovombe Androy, Vohémar ary Morondava.

Nisy ny fakana ny hevitry ny olon-tsotra sy ireo mpitondra ary mpanao politika momba ny lohahevitra ka amin’ny ankapobeny dia tsapa fa ambany dia ambany ny fari-pahafantaran’ny olona ny dikany sy ny hevitra fonosiny. Nanamarika ny filohan’ny Kmf/Cnoe, Razafindraibe Ernest, fa ireo mpanao politika ihany no manana fahalalana manakaiky ny marina saingy tsy ampy momba ny demokrasia raha maro tamin’ireo nohadihadiana kosa no manafangaro azy amin’ny fanaovana politika sy ny fihetseham-bahoaka. Ireo mpitondra indray dia mihevitra fa efa mampihatra ny demokrasia isan’andro izy ireo amin’ny alalan’ny fihainoana ny vahoaka tantaniny. Momba ny fifidianana indray dia tsy saika tsy miraharaha izany loatra ny tanora sy ny vehivavy nanontaniana. Eo anatrehan’izany dia hisy ny hetsika fampahafantarana ny hevitr’ireo teny ireo sy ny fampiharana azy eny anivon’ny fiarahamonina izay hotontosain’ny Kmf/Cnoe amin’ny alalan’ny haino aman-jery amin’ireo kaominina 10. Mahavelom-bolo kosa anefa ny fahazotoan’ireo mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena handray anjara amin’izany. Anisan’ny namaly ny antso nandritra ny fampahafantarana ny valin’ilay fanadihadiana sy ny fanombohana ny tetikasa fanentanana teny Tsiadana omaly rahateo izy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT