Nanao ny nataony ny delestazy tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo iny. Tsy fantatra intsony na olana ara-teknika na tsy fahampian’ny solika fa dia gravy tanteraka, hoy ny fitenenana
Raha ny zoma tolakandro dia nanomboka tamin’ny 1ora antoandro izany dia tamin’ny 4ora maraina tany ho any ny sabotsy vao niverina. Zara raha nandeha ora iray teo ho eo anefa ny jiro io marainan’ny sabotsy io dia efa tapaka indray ka samy nanana ny ora niverenany indray isaky ny kartie. Romotra noho izany ny vazaha teratany soisa monina ao Antsirabe ka nirifatra tamin’ny fiarany ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany teo ho eo ary nivantana tao anatin’ny fefin’ny Jirama Antsirabe. Mbola niampy indray ny hatezerany fa mpiasan’ny Jirama manao Tsipy kanety be eo an-tokotany no tratrany tao, izay nitabatabany nandritra ny minitra vitsy noho ny fahatapahan’ny jiro hatramin’ny alina. Niparitaka tsimoramora moa ireo mpiasa rehefa lasa ilay vazaha. Tsy mbola nisy moa fanazavana ny anton’ny fahatapahana goavana nitranga ny faran’ny herinadro lasa teo iny ary asa na mbola hitohy indray amin’ity herinandro ity na tsia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.