Mbola lavitr’ezaka ny lalan-kizoran’ny firenena Malagasy hahatongavana amin’ny fanafoanana tanteraka ny fahatapahan’ny herinaratra na delestazy manerana ny nosy. Nambarany aloha fa misy karazany roa ny delestazy hiainan’ny Malagasy ankehitriny. Eo ny lafiny ara-teknika fa tsy azo adinoina ihany koa ny mahakasika ny sehatra ara-toekarena
. Efa hiaraha-mahalala rahateo ny momba ilay fepetra iray lehibe takian’ireo mpamatsy vola mpiara-miombon’antoka dia ny fanafoanana tetibola manokana fanampiana ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Raha tsorina dia olana maro lafy tsy voafehin’ny mpitondra fanjakana no mampaharitra ny delestazy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Manodidina ny 40MW, ohatra, ny angovo tokony hovokarin’ny lakandranon’i Mandroseza saingy tsy tratra hatreto io filàna io. Vola 11,8 amin’ny 30 miliara ar ilaina amin’ny fanarenana ny Jirama no vao ao am-pelatanana. Tsy maintsy hihatra ny vidin-tsolika tena izy amin’ny volana jona ka 20% ny fiakarany vinavinain’ny fanjakana. Hihamafy moa ny delestazy ao anatin’ny enim-bolana faharoa noho ny tsy fahampian’ny rano, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo Horace Gatien ihany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.