Efa fantatra fa mihoatra ny fahaiza-manao sy ny fahefan’ny Jirama ny delestazy ka tsy misy azo antenaina firy intsony avy amin’izy ireo. Any amin’ny manampahefana ambony kokoa no tokony hivoahan’ny fanazavana miampy vahaolana, ka lohalaharana amin’izany ny minisiteran’ny angovo izay mpiahy mivantana ny Jirama.
Tsy hita popoka ary tsy re feo mihitsy anefa na ny minisitry ny angovo Horace Gatien na ireo tompon’andraikitra hafa ao amin’ity minisitera ity manoloana ny delestazy efa ho 5 ora isan’andro. Efa tena feno ny kapoaka ho an’ny vahoaka, misy mihitsy ireo mihevitra ny hanao filaharana an-dalambe ho fanehoana ny fahasosorana manoloana ity delestazy ity. Efa tena tsy rariny satria ny jiro sy rano tapaka, ny faktiora tonga ao an-trano midangana isam-bolana. Maro ny fitaovana simba, iza no tompon’andraikitra amin’ireny ? Mba misy drafitra noheverina hanampiana ireo tokantrano, toeram-pivarotana sy orinasa simba fitaovana noho ny delestazy ve sa tsia ? Vahaolana mahomby sy maharitra no andrandrain’ny rehetra fa tsy vahaolana « tip-top » hampandriana adrisa fotsiny.Andrasana izay fanambarana na fanazavana hoentin’ny minisitry ny angovo raha tsy hoe hiala andraikitra sy hisitrika izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.