Actualités

Delestazy lavareny Noho ny fitantanana tsy mahomby sy ny gaboraraka


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Nihaona tamin’ireo andiana depiote teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly ireo solontenan’ny mpikambana ao amin’ny farimbon-tsendikalin’ny JIRAMA notarihan’ny « secretaire permanant », Atoa Oliva Andriamanalintsoa.

 Ny hitondra ny fanazavana marina ny zava-misy mikasika ny delestazy sy ny jiro tapatapa-dava manerana ny nosy ary ny olana misy eo amin’ny orinasa JIRAMA amin’ny ankapobeny ankehitriny no tena anton-dian’ny delegasiona satria noheverin-dry zareo fa tokony hampahalalaina izany ireo olom-boafidintsika ka nomarihan-dry zareo marindrano fa tsy avy amin’ny mpiasan’ny Jirama akory no mampisy ireo olana rehetra ireo indrindra ny fahatapahan-jiro misy ankehitriny fa avy amin’ny fitantanana tsy mahomby sy ny gaboraraka misy ao amin’ity orinasa ity. Tsotra ny vahaolana hoan’ireo farimbon-tsendikaly ireto dia ny hoe « omeo ny mpiasan’ny jirama ny fitaovana sy ny kojakoja fanolo hanamboarana ireo  milina misy fa tsy hilaina ny fanofana milina avy any ivelany fa mambotry ny vahoaka, mambotry ny firenena fa lafovidy ny fanofana azy ireny mampiakatra ny vidin-jiro eny amin’ny mpanjifa. Tsotra ny “slogan” ho anay mpiasa dia ny ho “ tazonina ho fananam-pirenena, ny foto-drafitrasam-pirena efa an’ny firena toy ny Jirama. Soson-kevitra nomenay an’ireo andiana depiote teny tsimbazaza koa ny tokony hanaovan-dry zareo tolo-dalàna hanovana ny lalàna 98-032 manome alalana ny orinasa vahiny hamokatra, hitatitra, hivarotra ny herinaratra ka nangatahanay amin-dry zareo ny hanitsiana izany lalàna izany fa io ahafahan’ny vahiny mivarotra lafo ny herinaratra eto amintsika. Nilaza fa mbola vonona hanazava ny zava-misy amin’ny solombavambahoaka rehetra misy eny Tsimbazaza amin’ny manaraka ny delegasiona. Ankehitriny aloha mitohy ny fitokonana ho azy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT