Efa ho iray volana mahery niaina delestazy izao i Sambava. Misy kartie tsy mahita jiro raha tsy isaky ny telo andro ary sasak'alina izy no mandeha dia zara raha maharitra adiny roa
. Nanomboka nampiaka-peo ny mpanjifa omaly ka ireo mpivarotra trondro sy hena no nisantatra izany, fatiantoka no miditra. Niantsoany mpitondra mba hamaha haingana ny delestazy ao Sambava ity izy ireo.
Vokatr’io ihany koa mantsy dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Mpiasa lahy iray amina toby mpaninjara soliky ny Galana ao Sambava no naratra mafy vaky loha niharan’ny herisetra raha iny hody an-trano iny ny harivan'ny sabotsy teo, vokatry ny delestazy lava. Mbola tsaboina any amin’ny hopitaly izy amin’izao. Diso fanantenana koa ny vahoaka fa raha nandalo tany ny minisitry ny Angovo tamin'ny alakamisy heriny teo, niaraka tamin'ny praiminisitra Jean Ravelonarivo dia nanao kabary be fa amin'ny 1 septambra 2015 raha ela indrindra dia miverina amin'ny laoniny ny Jirama Sambava fa efa nitondra fitaovana vaovao izahay hanamboarana ny simba, kinanjo vao mainka sahirana amin'izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.