Actualités

Delestazy eto an-drenivohitra Lasibatra manokana ny faritra iva


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Mikaikaika amin’ny delestazy indray ireo faritra maro manerana an’i Madagasikara. Maharitra ora maro ny fahatapahan’ny herinaratra any amin’ny faritany, araka ny taraina mianga avy amin’ireo mponina any amin’ireo toerana samihafa eto amin’ny Nosy ireo.

Ankoatra ny tahotry ny tsy fandriampahalemana dia tsy lazaina intsony ny korontana isan-karazany hateraky ny haizina sy ny fahapotehan’ireo fitaovana fampiasa mandeha amin’ny herinaratra. Fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitry ny orinasa Jirama ao Toamasina, ohatra, ny fanafoanana tanteraka ny delestazy ao amin’ireo tanàna sokajiana ho be olona hisorohana ny fahatezeran’ny mponina tahaka ny fandoroana nihatra tamin’ny ny foiben’ity orinasam-panjakana ity. Tranga niseho tao anatin’ny andro maromaro ihany koa izao ny fiverenan’ny delestazy eto an-drenivohitra ka lasibatra manokana amin’izy io ireo fokontany amin’ny faritra iva. Mahita fanazavana samihafa hatrany moa ireo teknisianina ao amin’ny Jirama manoloana io fitarainana sy tsy fahafaham-pon’ny mpanjifa io.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT