Adiny efatra sisa misy jiro Ambatondrazaka. Fototry ny olana ny tsy fahampiana ara-tsolika eo anivon’ny orinasa Jirama.
Manomboka mitabataba ireo mponina any an-toerana vokatr’io delestazy niverina io. Asio vahaolana fa raha izao no mitohy dia ho rotiky ny tsy fandriampahalemana sy ny aizina Alaotra, hoy ny vahoaka. Betsaka ireo manao asa fihariana miankina amin’ny herinaratra no voatery mijanona tsy miasa ka mampitombo ny fahantrana efa mahazo ny vahoaka. Miandrandra vahaolana ny mponina Ambatondrazaka. Iza no hamaly ny hetahetan’ny mponina izay efa trotraky ny adim-piainana sy ny tsy fisian’asa nateraky ny delestazy. Mampiaka-peo izy ireo ankehitriny ary mety hiitatra zavatra hafa raha tsy misy fandraisana andraikitra.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.