Hanomboka anio zoma 20 aogositra ary haharitra herinandro ny delestazy amin’ireo tanàna vatsian’ny Jirama jiro avy amin’ny herinaratra miainga amin’ny foibe famokarana Andekaleka. Efa nanao fampilazana ny fisian’io ny Jirama sy ny teo anivon’ny Ministeran’ny angovo, ho fanomanana ny mpanjifa. Manahy mafy amin’ny mety hirongatan’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra sy ireo tanàn-dehibe vatsian’ny tambajotran’io Jirama io ny maro mandritra ny fotoana hisian’ny delestazy ateraky ny fanamboarana na fanitarana ny fotodrafitrasa ao Andekaleka. Ny tsy fandriampahalemana no tena mampanahy ny maro eo anatrehan’izany. Misy aza ny jiro manao ny ataony ny jiolahy mainka fa maizina. Manantena ny mponina amin’ny tanàna voakasik’ity delestazy ity fa hisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana mifanaraka amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.