Nihaona tamin’ny praiminisitra teny Mahazoarivo omaly ireo delegasionin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena mivahiny eto amintsika
. Nanome toky ireto mpampindram-bola iraisam-pirenena ireto ny jeneraly Jean Ravelonarivo fa maro ny ezaka azo tsapain-tanana nataon’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fanavaozana ny fomba fiasa. Nanatrika ny fihaonana omaly ihany koa ny minisitry ny vola sy ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara.
Prezidansa
Razafindrakoto Herisoa no misahana vonjimaika ny asan’ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika, toerana izay notazomin’i Henry Rabary Njaka. Nesorina tamin’ny toerany tamin’ny volana jolay ity farany noho ny raharaha Air Madagascar. Mpanolotsaina manokan’ny filoha Razafindrakoto Herisoa ary filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina.
JMJ Mada 8
Hisokatra ofisialy anio ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora katolika eto Madagasikara. Andiany faha-8 ny amin’ity, izay ampiantranoin’ny diosezin’i Fianarantsoa. Nanomboka omaly ny fandraisana ireo mpizaika, 250000 avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Tsinjaraina amin’ny toerana 11 izy ireo. Noraisina tao Ambalakely ny avy aty avaratra sy atsimo atsinanana, ary tao Soaindrana ny avy any atsimo. Nitohana ny fifamoivoizana tao an-drenivohitry Betsileo omaly.
Famatsiam-bola
Tanterahana any Lima renivohitri’i Pérou ny 7 ka hatramin’ny 11 oktobra ho avy izao ny fivoriamben’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena fanao isan-taona.mandritra io fihaonana io no handinihana sy hanapahan-kevitra momba ireo fanomezana na tsia famatsiam-bola ny firenena mila izany.
Vaksiny Polio
Zaza 1 amin’ny 4 no tsy ampy fiarovana tsara amin’ny aretina lefakozatra eto Madagasikara. Izany no maha zava-dehibe ny hanaovana vaksiny polio satria mety hampalemy ary mitarika fahafatesana mihitsy aza ity aretina ity. Tsy mbola misy ny fitsaboana azy hatreto.
Dista bio
Nomen’ny fanjakana fahazoan-dalana manokana hanondrana vary antsoina hoe : « Dista bio » milanja 330 taonina mankany Etazonia ny orinasa LAFAZA Trading Company ao Toamasina. Foana avy hatrany ny fahazoan-dalana rehefa tratra io fatra azo aondrana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.