Mivory tsy ara-potoana mandritra ny telo andro ny mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, nanomboka omaly talata 06 jolay ary hifarana ny alakamisy 08 jolay. Noho ny fangatahan’ny PDS Rakotovao Mariot amin’ny fanapahana sy ny fandaharan’asan’izy ireo sy ny rafitry ny fitantanany ary ny birao mandrafitra ny asan’izy ireo no hodinihana mandritra izay telo andro izay.
Niezaka ny nanazava sy nandresy lahatra ireo mpanolotsaina 17 tonga ny PDS. Mbola voatsikera tamin’io fihaonan’ny PDS Rakotovao Mariot, Naharimamy Irma ary Belahy Paul tamin’ny mpanolontsaina io koa ny Ben’ny tanàna Dr Rakotomanana Gervais nobimbiasin’izy ireo toerana : namela trosa 1,8 arivo tapitrisa an’ny mpamatsy ny kaominin’i Toamasina, betsaka ny mpiasa matotoa mandray karama isam-bolana. Voalaza tamin’izay fa mahatratra 100 tapitrisa ariary isam-bolana ny vola karamany mivoaka ho an’ireo mpiasa ireo. Fantatra anefa fa 2,8 arivo tapitrisa ariary ny tetibola nolanian’ny mpanolotsaina hampihodinana sy hanaovana asa eo anivon’ny Kaominina. Ankoatra izay dia nahazo ny anjarany koa ny mpanao gazety, izay nosoketaina ho mpandainga sy tsy mpilaza ny marina. Fa ny tena nahazendana dia ny fanamparam-pahefana nataon’ity mpiambina manokana ny PDS Rakotovao Mariot ity, izay namoaka tsy tamin-kenatra mpanao gazety eo am-panaovana fandraisam-peo ny PDS tao amin’ny birao fiasany. Nambaran’ity mpiambina ity tamin’ilay mpanao gazety “fa baikon’ny lehibeko ny ahy ny tsy hampiditra anao any”, ary nanontaniany koa raha manana fanasana hanatrika ny fihaonanan’ny PDS sy ny mpanolotsaina. Ary ny loza dia ny filazany fa “ianao efa malaza fa mpanakiana sy mpanaratsy ny PDS ka tsy afaka miditra any”. Ny PDS ihany moa no nandamina ny raharaha nandritra izao zava-nitranga tao amin’ny kaominin’i Toamasina izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.