Actualités

Delegasiona avy amin’ny « Region Normandie » Nandalo tetsy amin’ny Antenimierandoholona


  • Zoma 17 Febroary 2017

Ny alarobia 15 febroary 2017 teo, dia noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré tao amin’ny Lapa Maitso Anosikely ny delegasiona avy amin’ny « Region Normandie »,

 notarihin’Atoa Charles Themistocles, Tale Jeneralin’ny orinasa « Soabe Parteners » izay solontenan’ny vondrona ARKEMA any Frantsa ihany koa. Niompana tamin’ny fametrahana fiaraha-miasa izay samy ahazoan’ny roa tonta tombony  ny dinika nifanaovana. Tanjon’ireto Delegasiona ireto  ny mba hisian’ny  fifanaraham-piaraha-miasa sy fananganana tetikasa ara-pambolena hiarahan’ny  « Region Normandie » sy ny« Faritra Bongolava » ary koa fangatahana tso-drano avy amin’ny Antenimierandoholona momba ny fametrahana sy ny fanantanterahana io  fifanaraham-piaraha-miasa  Normandie-Bongolava io. Anisan’ny  laharam-pahamehana mialoha ny fanantanterahana ny tetikasa ny fanamboarana ny lalana. Nambaran’ ny Filoha Rakotomanana Honoré ny maha zava-dehibe ny tetikasa imasoan’ity delegasiona ity ho fototry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Vonona tanteraka ny Filoha hanome tanana ka hanolotra  manampahaizana manokana hiara-kiasa amin-dry zareo mba hisian’ny  fandrosoana sy ny fifanakalozana. Zava-dehibe amin’ny Filoha ihany koa ny finiavan’izy ireo  hanamboatra ny lalana any Bongolava mba hahafahana mampiakatra ny vokatra sy hanamora ny fivezivezena any an-toerana sy hampandroso ny faritra lavitra andriana. Marihina fa anio zoma 17 febroary no hampahafantarina ara-pomba ofisialy ity tetikasa ity.  

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT