Actualités

Delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana Notsenain’ny Emmo-Reg teny Ivato omaly


  • Alakamisy 06 Septambra 2012

Hagagana ny an’ny rehetra tonga teny Ivato omaly. Fiara tsy mataho-dalana 5 niampy fiarabe feno zandary no niatrana teny an-toerana.

 Dia hoy ireo mpanao vazivazy hoe tonga ety angaha ry Remenabila ? Tsy Remenabila tsy akory fa ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, nahitana ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Razafimanantsoa Hanitra, ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, Botozaza Pierrot, ny minisitry ny fambolena, Ravatomanga Roland, ny minisitry ny varotra Ramalason Olga, avy any Afrika Atsimo no nigadona teto an-drenivohitra ka nahatonga ireo mpitandro ny filaminana avy Amin’ny Emmo-Reg nivory sy niatrana ambava-basy toy ireny. Nilana antsojay koa ireo delegasiona satria tsy navela niditra ireo mpitsena azy ireo, eny fa na dia ireo mpiandraikitra ny harofenitra aza dia nanana olana.

Nahasadaikatra sady nahasorena ireo nahita ny zava-nisy teny Ivato satria iaraha-mahalala fa ny Malagasy mpiray tanindrazana any Atsimo tsy misy mpiraharaha, kanefa olona tonga avy any ivelany tsy mitondra basy na fitaovam-piadiana hafa no ambenana fatratra. Tahotry ny FAT sy ny mpitondra azy ny zava-misy satria nisy nanely tsaho fa nody niaraka tamin’ireo delegasiona ireo ny vadin’ny filoha teo aloha, Rtoa Lalao Ravalomanana. Fihantsiana izao aminay, hoy i Mamy Rakotoarivelo, nefa tsy mampiraika anay izany, hoy hatrany izy  raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety nanao tatitry ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, nialan’ny delegasiona teto ny Alatsinainy 03 septambra teo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT