Actualités

Daty “12 aogositra” naroson’ny CENI Hifanontona ny referandaoma sy ny fanadinana bakalôrea


  • Zoma 07 Mey 2010


Nandefa taratasy tany amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI ny governemanta mangataka ny daty hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, dia nivory avy hatrany omaly ny mpikambana ao amin’ny CENI ary nanapaka fa ny daty mety indrindra ho amin’izany dia ny 12 aogositra 2010, araka ny fanazavan-dRakotomanana Heriniaina Yves, filohan’ny CENI. Fototra roa no nambaran’ity farany fa nitondra ny adihevitra ka namaritana io daty io. Voalohany : fanajana ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana araka ny voalazan’ny andininy faha-35, izay milaza fa tsy maintsy misy fe-potoana 90 andro aorian’ny fiantsoan’ny governemanta ny mpifidy izay vao azo atao ny fifidianana. Voahaja ihany koa ny voalazan’ny andininy faha-36, izay milaza fa tsy maintsy atao amin’ny main-tany ny fifidianana. Ary ny farany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI ihany dia voahaja ny voalazan’ny andininy faha-37, izay milaza fa tsy maintsy amin’ny andro fiasana ny androm-pifidianana. Tetsy an-daniny dia nilaza koa Rakotomanana Heriniaina Yves fa anisan’ny antony namoahan’ny CENI io datin’ny 12 aogositra io ny fanirian’ny fitondrana amin’izao fotoana izao mba hamaranana ny tetezamita amin’ity taona ity.

Noraisin’ny CENI ny hetahetan’ny FAT, fa ny zava-misy iainan’ny mponina hadinony na nodiany tsy fantatra. Raha raiketin’ny governemanta tokoa io datin’ny 12 aogositra, dia mbola anatin’ny fanatanterahana ny bakalôrea ny tanora amin’ny sampana teknika, izay tanora tonga taona ny ankamaroany. Famerezan-jo ankolaka azy ireo ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana amin’io andro io.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT