Voasambotra tany Betroka ny zoma alina teo ny dahalo raindahiny antsoina hoe Aida kanefa dia misy mpitondra ambony avy any Atsimo
Atsinanana manao fanelanelana ka mitaky ny hamotsorana azy. Tsy manaiky izany izahay, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas izay any an-toerana ankehitriny fa hanohitra marindrano izany fanelanelanana izany satria tsy vitan’ny hoe mangalatra omby fotsiny ity dahalo ity fa tena mamono izay sendra azy ao an-tanàna andalovany ka hanaovany ny asa ratsiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.