Actualités

Dahalo raindahiny Navotsotra “par silence” ?


  • Talata 30 Oktobra 2012

Fa inona marina no tena ao ambadiky ny hetsika fanenjehana dahalo any atsimo ary ? Izany indray izao no fanontaniana mampiady hevitra etsy sy eroa, indrindra moa fa ho an’ireo izay mahalala tsiambaratelo amin’ny zava-mitranga any marina.

 Ny teny moa raha foy manan’elatra koa dia haingana koa ny fiampitan’ny vaovao. Omaly izao ohatra dia re fa toa nisy dahalo rain-dahiny navotsotra “par silence”, noho ny antony tsy dia tena fantatra mazava tsara. Toa vao mainka manaporofo ny zavatra efa nambara teto, omaly ihany izany ny amin’ny hoe misy ireo miaramila tezitra satria voasambotra ny dahalo, atolotra ny manampahefana, avy eo toa misy tafavoaka tsimoramora ihany. Efa manomboka miparitaka tao an-tanànan’i Betroka hatry ny omaly ity resaka ity, ka misy sahady no efa nilaza fa mety misy ifandraisany amin’ny resa-bola ity famotsorana dahalo ity. Etsy ankilan’izay, omaly ihany dia fantatra fa misy nanao fety be da fety be ireo ampahany tamin’ny komando nalefa any Betroka. “Pot d’adieu” fa hisaraka sa inona fa dia revy be.

Mandeha koa mantsy ny resaka fa mety hangoron’entana tsy ho ela hiala ao Betroka ireto andia-miaramila manokana ireto. Manam-petra rahateo ny “opération”, amin’ny maha hetsika manokana azy, fa tsy mandavan-taona akory. Raha ny tena marina anefa dia tsy mbola milamina ny any atsimo any ary tsy tokony hisioka ireo mpitandro ny filaminana satria tsy tafavoaka ny ala. Tsy mbola azo eo an-tanana rahateo Remenabila. Mifanandrify amin’izay ihany dia mandeha ny resaka fa misy amin’ireo miaramila nalefa hanenjika dahalo tany atsimo ireo no manomboka manana eritreritra hanao ampamoaka. Tsy fantatra aloha hoe manao ahoana ny mety ho endrik’izany ampamoaka izany fa matetika aloha dia rehefa misy zavatra tsy mazava, na misy zavatra nafenina vao misy ny ampamoaka atao izany.

Tsoa-kevitra ao anatin’izany rehetra izany ny hoe : misy raha tsy milamina any atsimo any e, ary be loatra ny zavatra manjavozavo manoloana ny resaka Remenabila sy ny “Opération Tandroka”. Misy mihitsy aza moa ny olona sasany milaza fa paikady haminganana mpanao politika iray izay mety kandida manana ny maha izy azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, ity raharaha dahalo sy Remenabila any atsimo ity. Ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao raha !

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT