Olona iray namoy ny ainy, omby miisa 48 very. Izay no vokatry ny asan-dahalo nitranga tany Betsipolitra, distrikan’i Miandrivazo ny faramparan’ny taona 2016 iny.
Voatifitra ka namoy ny ainy tamin’izany i Lebodany, tompon’omby sady teny am-piandrasana omby tamin’ny fotoana nakan’ireo dahalo azy. Nialoha ny nialany aina anefa dia mbola nahavita nitantara ny zava-nisy tamin’ny fianakaviany sy ny fokonolona izy ka nanonona ny anaran’i Fierena, izay ao an-tànana ary mitazona an’ity farany ho niray tendro tamin’ireo olon-dratsy nanafika azy. Nanao ny asany nandeha nanara-dia ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana saingy niverin-dalana noho ny rotsak’orana be loatra. Ren’ny fianakaviana ihany anefa taty aoriana fa voasambotra ihany i Fierena notondroin’i Lebodany ho mpiray tendro tamin’ireo dahalo namono azy sy naka ny ombiny. Malahelo anefa izy ireo, indrindra ny renin’ny maty fa tsara mpiaro, hanavotra azy ilay ahiahiana ho atidohan’io fanafihana mitam-piadiana io. Nilaza ho efa nanao tatitra sy nitaraina tamin’ny manampahefana ny renin’ny maty, saingy tsy ahitam-baliny hatramin’izao. “Manaitra ny isan’ambaratonga ny tenako mba hijery akaiky ity raharaha ity, fa raha toy izao hatrany no misy sy mitohy dia ho levony marina”, hoy hatrany ny renin’i Lebodany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.