Actualités

Dadafara “Sarotra ny fampiasam-bola”


  • Talata 18 Desambra 2012

Vahiny manokan’ny Tia Tanindrazana Atoa Randriamampionona Joseph Martin, fantatry ny maro amin'ny hoe : Dadafara, mpandraharaha mpitantana ny tranombarotra, Discount Store Saturne, hilaza ny heviny amin’ny sehatry ny fampisam-bola eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tafatafa.

 Tia tanindrazana (TT) : Mpandraharaha ianao, manao ahoana ny sehatry ny fampiasam-bola amin’izao krizy politika tsy milamina izao ?

Dadafara : Somary manahirana aloha amin’izao e ! Midina ambany be ny fahefa-mividin’ny olona, ny mpifaninana nefa miha-mitombo isa.

 

TT : Sahirana ianareo anefa ny Sinoa vao mainka mihamaro eto amintsika. Sao dia ny paikady iatrehana ny fifaninanana mihitsy no tsy ampy amintsika ?

Dadafara : Tena ambany dia ambany tokoa ny vidin’entan-dry zareo Sinoa izay mahatonga ahy hieritreritra hoe tsy mahay mikajy ny masonkarena sy ny tombombarotra aza ry zareo. Indraindray koa ny tena alaim-panahy hieritreritra hoe mampiditra vola eto zareo dia ataony “sous forme” na endrika ivelany ny entana ka mamerina masonkarena fotsiny izy. Iaraha-mahalala koa fa tsy tsara loatra ny kalitaon’ny entana sinoa.

 

TT: Miara-miasa amin’ny mpandraharaha vahiny ianao. Ahoana ny fahitan’izy ireo ny fampiasam-bola eto Madagasikara ?

Dadafara : Sarotra e ! Izaho ihany no fantany eto Madagasikara fa izy tsy mahita ny hafa. Misy koa anefa ireo mpamatsy entana anay izay mpanome ny hafa koa. Maro amin-dry zareo no miteny fa tsy mandeha ny tsena satria midina be ny vola mihodina, indrindra tamin’ity taona 2012 ity. Ampahefatry ny vola nampiasaina tamin’ny 2008 no azo amin’izao. Izahay izany no mila manao ezaka be amin’ny resaka serasera vao mahatazona ny 30 hatramin’ny 50% ny tsena taloha.

 

TT : Manao ahoana kosa ny hosoka izay tena mitobaka.

Dadafara : Ny fahitalavitra hosoka no tena mitobaka be ary nandray fanapahan-kevitra tsy mivarotra azy intsony izahay. Tsy te hivarotra hosoka mihitsy izahay. Fahitalavitra vita sinoa izao anefa dia asian’izy ireo marque SONY, SHARP dia manjary mamitaka ny mpividy. Raha mivarotra fahitalavitra tena izy “vraie marque” anefa ianao dia tena lafo be ny vidiny.

 

TT: Misy milaza ny mpandraharaha sasany fa tena manahirana ny findramam-bola amin’ny banky eto amintsika. Manamafy izay koa ve ianao ?

Dadafara : Izahay aloha hatramin’izay folo taona latsaka nisokafanay izay dia tsy mbola nindram-bola tamin’ny banky mihitsy na ariary aza. Nisy fotoana izahay nametraka vola tany amin’ny banky dia very ny vola. Indray mandeha koa izahay nakana “frais de mouvement” an-tapitrisa Ariary tao anatin’ny roa volana. Efa nisy koa fotoana nakana “frais de change” taminay nefa efa fantatra mazava izao ny saran’ny fanakalozana vola vahiny.

 

TT : Ao anatin’izao fety izao, inona izany no tena mampiavaka anareo ?

Dadafara : Ny kalitaon’ny entana no tena herinay. Nanafatra karazana “ampli” miampy “table” sy “micro” be dia be izahay. Ireo no tena vidian’ny olona amin’izao faran’ny taona izao hanaovana fety ankoatra ny “subwoofer” sy ny “lecteur”.

 

TT : Inona ny soso-kevitra entinao mba hanomezana lanja ny orinasa Malagasy ?

Dadafara : Sarotra sy manahirana ilay izy satria isika izao miaina ao anatin’ny fanalalahana dia mitobaka be ny entana avy any ivelany. Ao ny manara-penitra sy ny tsy manara-penitra. Mbola sarotra vao tonga amin’ny fiarovana ny mpandraharaha Malagasy izany isika satria tsy vitan’ny tora-po io fa miainga avy any amin’ny fanovana ny fomba fitantanana. Miankina ihany koa amin’ny hatsaran’ny fari-piainan’ny vahoaka koa anefa satria rehefa ambony izany dia afaka mitaky entana manara-penitra izy. Rehefa tena mihatra koa ny lalàna sy ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny entana mivoaka sy miditra dia misy fiarovana ny tsirairay.

 

Nangonin’i Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT