Lehilahy roa 52 taona sy 37 taona no voasambotry ny zandary noho ny famonoana sy fanolanana zazakely 4 taona teny Antanimenakely,
Fokontany Kianja, eny amin’ny Kaominina Ambohimangakely ny 06 jona 2016, rehefa nokarohana nandritra ny 1 taona sy telo volana nanomboka ny. Ny raibeny avy amin'ny reniny efa 52 taona ihany no nikotrika ny asa ratsy satria nentiny nijery baolina io zafikeliny antsoina hoe Heriniaina Nivomalala Lantosoa 4 taona dia tsy nentiny niverina nody rehefa hariva ny andro. Mamo io raibeny io tamin'io ka rehefa nanao ny fikarohana io zaza io ny fokonolona dia nilaza izy fa efa tsy ho hita intsony io satria "nandalo ramaka ka may ny tanàna". Ny ampitson'io dia tsy hita ny nalehan'io raibeny io saingy rehefa nantsoina izy dia nilaza fa lasa tany Ambatondrazaka nitady vola. Nametraka fitarainana tao amin'ny Zandarimariam-pirenena ny fianakavian'ny very. Herinandro taorian'izay dia hitan'ny ankizy milalao teny an-tsaha fa nisy tongotra zazakely nentin'ny alike, ka nampandre ny olona ireo zaza ireo ary nanamafy ny fikarohana teny amin'ny manodidina ny nahitana io ampahan'ny vatana hita io. Hita taorian'izany tao anaty lavaka iray izay tao anaty hantsana misy alaalan-goavy ny fatin'ilay zaza. Tsy nanisy fisalasalana ny zandary fa avy hatrany dia nanao ny filazana fikarohana manerana ny nosy ity raibeny izay nampiahiahy, ka nisy ireo zandary nalefa hisambotra azy tany Ambatondrazaka saingy tsy hita tany izy. Tsy niato noho izany ny fikarohana fa nitohy hatrany ka ny 9 aogositra 2017 teo dia ren'ny fianakaviany fa eny Andoharanofotsy io rangahy io ary nilaza tao amin'ny borigady Ambohimangakely izy ireo izay tonga teny an-toerana nikaroka azy. Taorian'ny fitadiavana azy io teny an-toerana izay naharitra ora maromaro, dia hita tao amin'ny mpanefy volamena iray teo am-pivarotana ny volamena azony tany Andriamena izy io. Niaiky ny heloka nataony izy ary nanoro ny lehilahy iray hafa 37 taona izay nifandimby nanolana taminy io zaza io sy namono ary nanafina ny razana tao anatina lavaka. Efa saika handeha hifindra monina ho any Faratsiho indray izy ireo izao voasambotra izao. Natolotra ny fampanoavana ny 10 aogositra 2017 ireo roalahy voarohirohy nanolana sy namono olona ireo taorian'ny fanadihadiana natao azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.