Niavaka ny fampisehoan’i Erick Manana sy ireo mpiara-mikalo aminy teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena omaly tolakandro. Noporofoin’ity mpanakanto anisan’ny sangany amin’ny fiangaliana gitara eto amintsika ity indray fa voafehiny ny bà gasy ary hainy ny mampirevy ireo mpankafy azy.
Tena nitsonika tokoa ny teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena omaly, nalaina nisaraka ny an-daniny sy ny an-kilany. Vao miha nampitombo ny ambiansy ny nahitana teny an-toerana an’Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa vadiny izay noraisin’ny olona tamin’ny tehaka mirefodrefotra ny fidirany ny efitrano. Tonga nankafy ny kanto malagasy tahaka ireo Malagasy an’arivony nameno hipoka ny trano filanonana izy mivady, ary nampiseho ihany koa fa avy any amin’ny vahoaka ary tsy misalasala ny miaraka amin’ny vahoaka izy ireo. Nampiseho ny maha zava-dehibe ny fanohanana sy ny fanjifana ny vita Malagasy i Marc Ravalomanana, izay no antony ahitana azy matetika amin’ny zavatra tahaka ireny. Fa amin’ny lafiny iray ihany koa dia tombony ho an’ity filoha teo aloha ity ny fahaizany miserasera amin’ny rehetra, koa na dia eo aza ny resabe sy fanatsatsoana natao azy teto nandritra ny 6 taona dia sahiny ny nampiseho fa tena mbola mamy hoditra eo anatrehan’ny vahoaka izy, ka na eto Antananarivo, na any Antsirabe, na any Toamasina, na any Fianarantsoa dia olona maro be hatrany no mihoby azy. Toa diso avy hatrany ny resabe natao fa hoe naloan’ny Malagasy i Marc Ravalomanana, ny mifanohitra amin’izay aza no hita matetika, dia ny hoe mbola tena mangetaheta ny fahaizana sy ny fahasahiana ary ny fahakingam-piasan-dRavalomanana ny Malagasy ary samy mahatsapa tsara izao fa …hafa ihany tamin’ny andro nitondran’i Dada e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.