Actualités

Cybercafé Manao facebook sy mijery vaovao ny 80 %-n’ireo mpanjifany


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Anisan’ny asa iray tena mandeha tokoa akehitriny, indrindra fa ny eto an-drenivohitra ny fanaovana cybercafé. Hatramin’ny nisian’ny facebook no voalaza fa tena nampandeha io asa fitadiavana iray io satria dia mampiditra hatrany amin’ny 50.000 Ar isan’andro raha kely ny cyber iray.

 

 Ankoatra ny fanaovana facebook dia ny fijerena ireo vaovao mahaliana eto an-toerana sy any ivelany no tena mahasarika ireo mpanjifa. 30 minitra raha kely indrindra ny olona iray no manao izany, 500 Ar tsy mihoatra kosa ny an’ireo ankizikely alefan-dray aman-dreniny hijery ireo karazana saary miteny, indrindra fa ireo tsy manana fahitalavitra any an-tokantranony. Betsaka amin’ireo mpanjifa anefa no tsy mahafehy ity facebook ity. Misy amin’izy ireo mantsy no mampihatra avy hatrany izay hitany,  toy ireny fanelezana vaovao tsy marina sy fanalam-baraka tompon’andraiki-panjakana ambony ireny izay tsiahivina hatrany fa mety hampigadra ka ilana fitandremana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT