Birao 2 sy efitra fivoriana iray etsy amin’ny Masoivohon’i Frantsa Ambatomena misy ny antsoina hoe “Paris Région Expertise” na PRX no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 5 martsa 2018.
Hita ao ny atao ny “Paris Region Expertise” eto Madagasikara. Niatrika ny fotoana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ny Masoivohin’i Frantsa Veronique Vouland , ny Filoha Lefitra voalohan’ny Region Ile-de- France Jérôme Chartier izay tonga manokana eto Madagasikara, ary Ramatoa Tamara, misolotena ny Region-Ile-de France eto Madagasikara, niampy ny tompon’andraikitry ny PRX ity eto amintsika. Hitondra ainga vao eo amin’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ny tanàna ny fisian’ity toerana ity, indrindra ny fampandrosoam-paritra misandrahaka amin’ny sehatra maro. Nanamafy Ny Ben’ny Tanànan’Iarivo, fa efa ho 28 taona izao no nisian’ny fifamatorana teo amin’ny Region–Ile-de France sy ny Kaominina Antananarivo. Maro ny asa efa vita toy ny teo amin’ny Sosialy sy Kolontsaina, ny fanatsarana ny tontolo an-drenivohitra,… Mbola misy koa, hoy izy, ny tetik’asa ho avy toy ny fampidirana ny faritra eny Andohalo sy ny manodidina ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny Unesco, ny fananganana ny sampan-draharaha momba ny tanàn-dehibe hisahana an’Antananarivo sy ny manodidina, na ilay atao hoe “Agence d’Urbanisme du Grand Tana”, miampy ny fanohanana ireo fikambanana tsy miankina, izay misahana ny fanatsarana ny fiainan’ireo olona sahirana eto Iarivo . Ny Masoivohon’i Frantsa Véronique Vouland kosa no nanamarika fa midika ho zava-dehibe ny fisian’ny birao toy izao ao anatin’ny Masoivoho ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy izy, dia hanana tombontsoa amin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.