Tonga nanolotra vary 50 gony niampy kilalao isan-karazany ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny orinasa Océan Trade amin’izao
ankatoky ny fetin’ny Noely izao izay tafiditra indrindra ao antin’ny Asaramanitra. Nandray izany tamin’ny anaran’ny kaominina tao amin’ny Lapan’ny tanàna ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly alarobia 20 desambra. Izany no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.