Maka toerana tsimoramora eo anivon’ny fitantanana ny tanŕnan’Antananarivo ihany koa ny avy eo anivon’ny foloalindahy amin’izao fotoana izao. Raha voatendry ho filohan’ny delegasiona manokan’ny tanŕna i Edgard Razafindravahy ny 7 aogositra 2009 dia nisafidy olona teo anivon’ny polisim-pirenena izy hatao talen’ny kabinetra.
Ny kaomisera Rabearisoa Alexandre no mitana io andraikitra io hatreto. Raha fahita matetika tamin’ny haino aman-jery sy an-gazety ny PDS ny enim-bolana voalohany nitantanany ny tanàna dia somary nilentika, eny mety ho ninia nangina mihitsy izy nony taty aoriana. Araka ny fantatra aza dia toa mangatsiatsiaka nanaraka izay koa ny fifandraisany amin’ireo mpiahy mivantana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany sy ny eny Ambohitsorohitra eny. Mety ho izay antony izay koa angamba no tsy dia ahitana ny PDS-n’Antananarivo loatra amin’ireny lanonam-panjakana teto Antananarivo tato ho ato ireny, fa ny talen’ny kabinetrany hatrany no tazana. Faramparany teo izao dia fantatra fa nankinina amina kolonely misatromena indray ny mahakasika ny raharaha ara-toekarena eo anivon’ny kaominina. Banga ny toeran’ny talen’io sampandraharaha io, saingy amin’izao fiandohany izao dia “Chargé de mission” no nametrahana ity kolonely ity, manao andrana mandritra ny telo volana eo, hitsapana na zakany ny andraikitra ankinina aminy izay lehibe indrindra amin’ireny ny fandaminana ny tsena. Mikasika izay dia efa namory ireo lehiben’ny tsena ity kolonely ity tamin’ny zoma lasa teo. Raha izay no zohina dia miroso tsimoramora mankany amin’ny fitantanana “militaro-civil” koa izany ny kaominina Antananarivo renivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.